Nitsidika ny ministry ny Harena an-kibon’ny tany, Zafilahy Ying Vah, ny Alatsinainy 02 oktobra 2017 tolakandro, teny Ampandrianomby, ny delegasiona alema notarihin’i Gunter Nooke, i Christiane Kraus, ary ny masoivoho eto amintsika, i Harald Gehrig. Nanatevina izany delegasiona izany ny solontenan’ny GIZ. Nifampidinihan’izy ireo ny mahakasika ny fitrandrahana madinika sy vaventy, ny olana misy sy ny vahaolana, hanatsara ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ao anatin’izany ny fanajana ny tontolo iainana.

Tsy azo lavina fa misy ny kolikoly ao amin’io sehatra io, koa ezahina ny hanafoanana izany hahafahana mandroso, tokony hahazoan’ny mponina eny ifotony tombotsoa misy izany fitrandrahana izany. Ny ministera rahateo, manana ny fanamby hoe “ fitrandrahana mampidim-bola”.

Notsiahivin’ny ministra fa hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, sambany eto Madagasikara no tafakatra roa taonina ny volamena nambara ara-dalàna. Ezaka tsara izany ary hirariana ny mbola hitohizana hahafahana mitsinjo sy mampandroso eny ifotony, nipoiran’ireo harena ireo. Marihana fa ny 30septembra lasa teo, nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny orinasa Ambatovy i Gunter Nooke.

R.Mathieu