Mety afaka roa taona, hiditra amin’ny fitrandrahana solika

Noraisin’’ny minisitry ny Harena an-kibon’’ny tany, Zafilahy Ying Vah, ny herinandro lasa teo, ny delegasiona avy amin’’ny kaompania OMV, mpitrandraka solika sy gazy avy any Autriche. Efa hatramin’’ny taona 2014 io OMV io, eto Madagasikara, no nanomboka ny asa fikarohana. Marihina fa maharitra fotoana ela ihany ny fanaovana fikarohana solika ambanin’’ny ranomasina na ambanin’’ny tany. Misy tonga hatramin’’ny valo taona izany, koa raha tsy mahita dia very ny vola, raha te hanohy miverina mampiasa vola indray ho amin’ny fikarohana manaraka.

Araka ny nambaran’’ny talen’’ny fitrandrahana OMV Moyen-Orient sy Afrika, Bernarhd Krainer, nitarika izany delegasiona izany, raha tsy misy ny fiovana, mety afaka roa taona no hanomboka hiditra eo amin’’ny fitrandrahana izy ireo, hampiasana vola 50 tapitrisa dolara isaky ny faritra. Manana faritra telo eo amin’’ny fikarohana solika ny OMV eto amintsika, iray ambanin’’ny  ranomasina ary roa ambanin’’ny tany  ( Mandabe sy Berenty).

OMV na « Österreichische Mineralölverwaltung », kaompania mpitrandraka solika sy gazy avy any Autriche, niorina ny taona 1956, manana ny foibeny any Vienne, Renivohitr’’io firenena io. Manana faritra  lehibe trandrahiny io kaompania io any Rosia sy any amin’ny Eoropa (OCDE) sy any amin’ny Vondrona eoropeanina.  Ny faran’’ny taona 2015, manana tahirin-tsolika 103 tapitrisa barils ny OMV, afaka mamokatra hatramin’’ny 303.000 barils isan’’andro.

Hita tao amin’izany delegasiona noraisin’’ny minisitra Zafilahy izany ny tale jeneralin’’ny OMV Afrika sy Madagasikara, Zarko Bautovic ; talen’’ny fitantanam-bola OMV Afrika sy Madagasikara, Werner Herzog ; talen’’ny fitrandrahana OMV Afrika sy Madagasikara, Hanns Peter Schmid ; ary ny solontenan’’ny orinasa eto an-toerana, Ramboasalama Fanomezantsoa.  Ny tetikasan’’ity orinasa ity no azo lazaina fa tsy ho ela raha eo amin’’ny fitrandrahana solika eto Madagasikara.

R.Mathieu