Soamahamanina : naka ny entany sisa tavela ny orinasa Jiuxing Mines

0
92

Nitondra mpanao gazety nidina ifotony tany Soamahamanina ny orinasa sinoa Jiuxing Mines nijery ny zava-misy any an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nataon’ity orinasa ity izany taorian’ny fanambarana nataon’ny solontenan’ny mponina ao Soamahamanina, teto an-dRenivohitra, nilaza ny fiverenan’ny Sinoa hitrandraka volamena any an-toerana.

Nisy ny fanadihadiana tamin’ireo tompon’andraikitra ao an-tanàna, anisan’izany ny ben’ny Tanàna, Rabesahalasoa Théophile. Nambaran’ingahy ben’ny Tanàna fa ny 31 mey lasa teo no nisy taratasy fangatahan-dalana tonga tao aminy avy amin’ny orinasa Jiuxing Mines, nangataka ny hakan’ity orinasa ity ireo entany tavela ao an-toerana. « Araka izany, tsy marina velively ny filazana fa niverina nitrandraka ny Sinoa fa fiara naka ireo entana sisa tavela no tazan’ny mponina », hoy ny ben’ny Tanàna.

Raha ny zavatra tsikaritra hita eo amin’ny toerana, hita ao an-toerana, ireo vy sy trano lay vitsivitsy andrian’ireo mpiambina. Milamina i Soamahamanina, araka ny resaky ny mponina nanontaniana, nanamarina fa tsy mbola nahita ny fiverenan’ny teratany sinoa hatramin’ny nampiatoana azy ireo.

R.Mathieu